Bokin'i Jona 1:5
Dia raiki-tahotra ny matilo, ka samy nitaraina tamin’ ny andriamaniny avy sady nariany tany anaty ranomasina ny zavatra tao an-tsambo mba hampahatony ny loza. Fa Jona kosa efa nidina nankao anaty sambo ka nandry renoky ny torimaso.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
1 Samuel 24:3Ary Saoly naka telo arivo lahy voafantina tamin’ ny Isiraely rehetra ka lasa nitady an’ i Davida sy ny olony tany amin’ ny vatolampin’ ny osi-dia.
Job 2:4Ary Satana dia namaly an’ i Jehovah ka nanao hoe: Hoditra fefin’ ny hoditra, eny, izay rehetra ananan’ ny olona dia homeny ho-fefin’ ny ainy.
Psalms 148:8Ny afo sy ny havandra, ny oram-panala sy ny zavona, Ny rivotra mahery izay mankatò ny teniny,
Isaiah 44:17Ary ny sisan’ izany dia amboariny ho andriamanitra, ho sarin-javatra voasokitra, Ary miondrika sy miankohoka eo anatrehany izy ka mivavaka aminy hoe: Vonjeo aho, fa andriamanitro ianao.
Jeremiah 2:28Fa aiza ireny andriamanitrao izay nataonao ho anao? Aoka hitsangana ireny, raha mahavonjy anao amin’ ny andro fahorianao fa araka ny isan’ ny tanànanao, ry Joda, no isan’ ny andriamanitrao.
Jonah 1:6Dia nankao aminy ny kapitenin-tsambo ka nanao taminy hoe: Endrey ity ianao renoky ny torimaso foana eto! Mitsangàna, ka antsoy ny Andriamanitrao, fa angamba hihevitra antsika Andriamanitra, ka dia tsy ho faty isika.