Bokin'i Jona 1:6
Dia nankao aminy ny kapitenin-tsambo ka nanao taminy hoe: Endrey ity ianao renoky ny torimaso foana eto! Mitsangàna, ka antsoy ny Andriamanitrao, fa angamba hihevitra antsika Andriamanitra, ka dia tsy ho faty isika.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Esther 4:16Mandehana ary, vorio ny Jiosy rehetra izay mba ato Sosana ary mifadia hanina noho ny amiko, ka aza mihinana na misotro hateloana na andro na alina; ary izaho sy ny ankizivaviko hifady toy izany koa, ary amin’ izany no hidirako ao amin’ ny mpanjaka, na dia tsy araka ny lalàna aza; koa raha tàhiny maty aho, dia maty.
Psalms 107:6Dia nitaraina tamin’ i Jehovah ireo, raha ory, Ka novonjeny tamin’ ny fahatereny;
Psalms 107:18Nahamonamonaina azy ny hanina rehetra; Ary nanakaiky ny vavahadin’ ny fahafatesana izy.
Isaiah 3:15Ahoana no hevitrareo no dia hosihosenareo ny oloko, Ary torotoroinareo ny tavan’ ny malahelo? Hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
Ezekiel 18:2Nahoana no manao izao ohabolana izao ao amin’ ny tanin’ ny Isiraely ianareo: Ny ray no mihinana voaloboka maharikivy, ka ny nifin’ ny zanany no madilo?
Amos 5:15Ankahalao ny ratsy, ka tiavo ny tsara, ary aoreno eo am-pitsarana ny rariny; Angamba Jehovah, Andriamanitry ny maro, hamindra fo amin’ izay sisa amin’ i Josefa.