Bokin'i Jona 1:9
Dia hoy izy tamin’ ireo: Hebreo aho; ary Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, no ivavahako, dia Izay nanao ny ranomasina sy ny tany maina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 14:13Ary tonga ny anankiray izay efa nandositra ka nanambara tamin’ i Abrama Hebreo izay nonina teo an-kazo terebintan’ i Mamre Amorita, rahalahin’ i Eskola sy Anera; fa ireo dia olona efa vita fanekena tamin’ i Abrama.
Genesis 39:14dia niantso ny mpanompo izy ka nilaza taminy hoe: Indro, efa nampiditra lehilahy Hebreo tato amintsika hisangy antsika izy; nanatona ahy mba handry amiko iny, dia niantso tamin’ ny feo mahery aho;
2 Kings 17:28Dia tonga ny mpisorona anankiray avy tamin’ izay efa nentiny ho babo avy tany Samaria ka nonina tao Betela, dia nampianatra azy izay fahatahorana an’ i Jehovah.
Ezra 1:2Izao no lazain’ i Kyrosy, mpanjakan’ i Persia: Ny fanjakana rehetra ambonin’ ny tany dia efa nomen’ i Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, ahy; ary Izy efa nandidy ahy hanao trano ho Azy any Jerosalema izay any Joda.
Ezra 7:12Artaksersesy, mpanjakan’ ny mpanjaka, ho an’ i Ezra mpisorona, mpanora-dalàna mahay tsara ny lalàn’ Andriamanitry ny lanitra.
Nehemiah 2:4Dia hoy ny mpanjaka tamiko: Inona ary no angatahinao? Dia nivavaka tamin’ Andriamanitry ny lanitra aho aloha,