Bokin'i Jona 3:2
Mitsangàna, ka mankanesa any Ninive, ilay tanàna lehibe; ary torio aminy ny teny izay lazaiko aminao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Arise, go unto Nineveh, that great city, and preach unto it the preaching that I bid thee.
In Context
1Ary tonga fanindroany tamin’ i Jona ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
Cross References
Exodus 4:28Ary nambaran’ i Mosesy tamin’ i Arona izay teny rehetra efa nanirahan’ i Jehovah azy sy izay famantarana rehetra efa nandidiany azy.
Jeremiah 1:7Fa hoy Jehovah tamiko: Aza manao hoe: Mbola zaza aho; fa handeha amin’ izay rehetra hanirahako anao ianao, ary izay rehetra handidiako anao no hambaranao.
Jeremiah 15:19Koa izao no lazain’ i Jehovah: Raha hiverina ianao, dia horaisiko indray, ka dia hitsangana eo anatrehako ianao; Ary raha manavaka ny zava-tsoa hiala amin’ ny zava-poana ianao, dia ho solom-bavako; Hanatona anao indray ireny; Fa tsy ianao no hanatona azy,
Ezekiel 3:17Ry zanak’ olona, efa nataoko mpitily ho an’ ny taranak’ Isiraely ianao; ka dia hohenoinao ny teny avy amin’ ny vavako, ary avy amiko no hananaranao azy.
Jonah 3:3Dia nitsangana Jona ka nankany Ninive araka ny tenin’ i Jehovah. Ary Ninive dia tanàna lehibe teo anatrehan’ Andriamanitra, dia lalana hateloana.
Matthew 3:8Koa mamoaza voa miendrika ny fibebahana ianareo;