Bokin'i Jona 3:5
Dia nino an’ Andriamanitra ny mponina tao Ninive ka niantso fifadian-kanina sady nitafy lamba fisaonana hatramin’ ny lehibe ka hatramin’ ny kely.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 33:6Ary ny Zanak’ Isiraely dia nanala ny firavany hatreo an-tendrombohitra Horeba.
2 Chronicles 20:3Dia natahotra Josafata ka nanatrika tsara hitady an’ i Jehovah sady niantso andro fifadian-kanina ho an’ ny tanin’ ny Joda rehetra.
Jeremiah 31:34Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy intsony izy hoe: Mahalalà an’ i Jehovah; Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra. Hatramin’ ny kely indrindra ka hatramin’ ny lehibe indrindra, hoy Jehovah; Fa havelako ny helony, ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.
Jeremiah 42:1Ary ny mpifehy ny miaramila rehetra sy Johanana, zanak’ i Karea, sy Jazania, zanak’ i Hosaia, mbamin’ ny vahoaka rehetra, na kely na lehibe, dia nanatona
Daniel 9:3Ary nampanatrehiko an’ Andriamanitra Tompo ny tavako hitady izay hivavahana sy hifonana amin’ ny fifadian-kanina ny lamba fisaonana ary ny lavenona.
Joel 2:12Koa na dia ankehitriny aza, hoy Jehovah, miverena amiko amin’ ny fonareo rehetra ary amin’ ny fifadian-kanina sy ny fitomaniana ary ny fitarainana.