Bokin'i Jona 3:6
Ary nony efa ren’ ny mpanjakan’ i Ninive izany, dia nitsangana niala tamin’ ny seza fiandrianany izy, ka nanaisotra ny akanjom-boninahiny, dia nisarona lamba fisaonana sady nipetraka tamin’ ny lavenona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Esther 4:1Nony fantatr’ i Mordekay izay rehetra efa natao, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nitafy lamba fisaonana sady nihosin-davenona, dia nankeo afovoan’ ny tanàna ka nitaraina sy nidradradradra mafy;
Job 2:8Dia naka tavim-bilany hihaorany izy, raha nipetraka teo an-davenona.
Psalms 2:10Ary amin’ izany dia hendre ianareo, ry mpanjaka; minoa anatra ianareo, ry mpitsaran’ ny tany.
Jeremiah 13:18Lazao amin’ ny andriamanjaka sy ny reniny hoe: Mitombena amin’ ny tany; Fa ho afaka ny firavaka eo an-dohanareo, dia ny satro-boninahitrareo tsara tarehy.
Lamentations 3:29Aoka hanohoka ny vavany eo amin’ ny vovoka izy, angamba hisy hantenaina.
Daniel 9:3Ary nampanatrehiko an’ Andriamanitra Tompo ny tavako hitady izay hivavahana sy hifonana amin’ ny fifadian-kanina ny lamba fisaonana ary ny lavenona.