Bokin'i Jona 3:9
Fa angamba hiverina ihany Andriamanitra ka hanenina ary hiala amin’ ny fahatezerany mirehitra, mba tsy ho lany ritra isika?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Who can tell if God will turn and repent, and turn away from his fierce anger, that we perish not?
In Context
Cross References
1 Samuel 6:5Koa manaova sarin’ ny vainareo sy sarin’ ny totozinareo izay manimba ny tany; ary omeo voninahitra ny Andriamanitry ny Isiraely; angamba hanamaivana ny tanany hiala aminareo sy ny andriamanitrareo ary ny taninareo Izy.
Psalms 106:45Dia nahatsiaro ny fanekeny Izy Ka nanenina araka ny haben’ ny famindram-pony.
Joel 2:14Fandrao mba hanenina ihany Izy ka hamela fitahiana ao aoriany, dia fanatitra hohanina sy fanatitra aidina ho an’ i Jehovah Andriamanitrareo.
Jonah 1:6Dia nankao aminy ny kapitenin-tsambo ka nanao taminy hoe: Endrey ity ianao renoky ny torimaso foana eto! Mitsangàna, ka antsoy ny Andriamanitrao, fa angamba hihevitra antsika Andriamanitra, ka dia tsy ho faty isika.
Jonah 4:2Dia nivavaka tamin’ i Jehovah izy ka nanao hoe: Mifona aminao aho, Jehovah ô, tsy izao ihany va no efa nolazaiko fony aho mbola tany amin’ ny taniko? Fa ny andrao hisy toy izao no nandosirako ho any Tarsisy, satria fantatro fa Hianao dia Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindram-po ary manenina ny amin’ ny loza.
Luke 15:18Hiainga aho, dia hody any amin’ ny raiko ka hanao aminy hoe: Raiko ô, efa nanota tamin’ ny lanitra sy teo anatrehanao aho