Bokin'i Jona 4:6
Ary Jehovah Andriamanitra nanomana tanantanamanga, ka nampaniriny hanalokaloka an’ i Jona izany ho alokaloky ny lohany, hanafaka ny alahelony. Ka dia nahafaly an’ i Jona indrindra ny tanantanamanga.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Esther 5:9Dia nivoaka tamin’ izany andro izany Hamana, sady faly sy ravoravo ny fony; fa raha nahita an’ i Mordekay teo am-bavahadin’ ny mpanjaka izy, fa, indro, tsy mba nitsangana na nihetsika hitsaoka azy akory dia feno fahatezerana taminy izy.
Psalms 103:10Tsy mba manao amintsika araka ny fahotantsika Izy, Na mamaly antsika araka ny helotsika.
Isaiah 39:2Ary dia faly Hezekia noho izany ka nampiseho azy ny trano fitehirizany zava-tsoa, dia volafotsy sy volamena sy zava-manitra ary menaka tsara, sy ny trano fitehirizana ny fiadiany rehetra mbamin’ izay rehetra tao amin’ ny firaketany; tsy nisy zavatra tsy nasehon’ i Hezekia azy, na ny tao an-tranony, na ny tao amin’ ny fanjakany rehetra.
1 Corinthians 7:30ary mba ho toy izay tsy mitomany ny mitomany; ary mba ho toy izay tsy mifaly ny mifaly; ary mba ho toy izay tsy mahazo ny mividy;