Bokin'i Jona 4:9
Fa hoy Andriamanitra tamin’ i Jona: Moa mety va izao firehitry ny fahatezeranao ny amin’ ny tanantanamanga izao? Ary hoy izy: Mety ny hahatezerako na dia mandra-pahafatiko aza.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 4:5fa Kaina mbamin’ ny fanatiny kosa tsy mba nankasitrahany. Dia tezitra indrindra Kaina, sady nanjombona ny tarehiny.
Judges 16:16Ary rehefa nitorikisina taminy isan’ andro ravehivavy ka nahasosotsosotra azy, dia tsy nahafinaritra azy intsony ny miaina.
Job 5:2Fa ny adala dia vonoin’ ny fahasosorana, ary ny kely saina dia matin’ ny fialonana.
Job 40:4Indro, tsinontsinona, aho ka inona no azoko avaly Anao? Hitampim-bava aho izao.
2 Corinthians 7:10Fa ny alahelo araka an’ Andriamanitra miasa fibebahana ho famonjena tsy hanenenana; fa miasa fahafatesana kosa ny alahelon’ izao tontolo izao.