Bokin'i Josoa 1:14
Ny vadinareo sy ny zanakareo madinika ary ny biby fiompinareo dia hitoetra eo amin’ ny tany izay nomen’ i Mosesy anareo etỳ an-dafin’ i Jordana; fa ianareo lehilahy mahery rehetra dia samy ho voaomana hiady ka hita eo alohan’ ny rahalahinareo hanampy azy,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 13:18Fa nentin’ Andriamanitra nivily ho amin’ ny lalana mahazo any an-efitra amoron’ ny Ranomasina Mena ny olona; ary voaomana hiady ny fiakatry ny Zanak’ Isiraely avy tany amin’ ny tany Egypta.
Deuteronomy 33:21Nizaha izay tsara indrindra ho an’ ny tenany izy, Fa teo ny anaran’ ny mpanao lalàna no efa voatokana. Niaraka tamin’ ny lohan’ ny firenena izy, Ary araka ny fahamarinan’ i Jehovah ny nataony, Sy araka ny fitsipiny izay iombonany amin’ ny Isiraely.
Revelation 17:4Ary ravehivavy dia nitafy lamba volomparasy sy jaky ary niravaka volamena sy vato soa ary perila sady nitana kapoaka volamena teny an-tànany, feno zava-betaveta, dia ny zava-maloto momba ny fijangajangany;