Bokin'i Josoa 1:4
Hatramin’ ny efitra sy iry Libanona iry ary hatramin’ ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata, ny tany rehetra izay an’ ny Hetita, ka hatramin’ ny Ranomasina Lehibe any andrefana no ho taninareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 23:31Ary hatramin’ ny Ranomasina Mena ka hatramin’ ny ranomasin’ ny Filistina no hataoko fari-taninao, ary hatramin’ ny efitra ka hatramin’ ny Ony; fa hanolotra ny mponina amin’ ny tany ho eo an-tananareo Aho; ary handroaka azy eo alohanao ianao.
Deuteronomy 1:7mihodìna ianareo, dia mandehana ka mankanesa any amin’ ny tany havoan’ ny Amorita sy any amin’ izay rehetra ao akaikiny, dia any amin’ ny tani-hay sy ny tany havoana sy ny tany lemaka amoron-tsiraka sy ny tany atsimo sy ny amoron’ ny ranomasina, dia any amin’ ny tanin’ ny Kananita sy any Libanona ka hatrany amin’ ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata.
Deuteronomy 11:24Ny tany rehetra izay hodiavin’ ny faladian’ ny tongotrareo dia ho anareo: hatramin’ ny efitra sy Libanona ary hatramin’ ny ony Eofrata ka hatramin’ ny ranomasina andrefana no ho fari-taninareo.
1 Chronicles 5:9Ary nonina tany atsinanana hatrany akaikin’ ny efitra ka hatramin’ ny ony Eofrata izy; fa ny ombiny aman’ ondriny nihamaro teny amin’ ny tany Gileada.