Bokin'i Josoa 1:5
Tsy hisy olona hahajanona eo anoloanao amin’ ny andro rehetra hiainanao; tahaka ny nombako an’ i Mosesy no hombako anao koa; tsy handao anao na hahafoy anao Aho.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 39:2Ary Jehovah nomba an’ i Josefa, dia lehilahy nambinina izy; ary nitoetra tao an-tranon’ ilay Egyptiana tompony izy.
Deuteronomy 7:24Dia hatolony eo an-tananao koa ny mpanjakany, ka ho foananao tsy ho re intsony atỳ ambanin’ ny lanitra ny anarany; tsy hisy olona hahajanona eo anoloanao, fa haringanao avokoa izy mandra-pahalaniny.
Deuteronomy 20:4fa Jehovah Andriamanitrareo no miara-mandeha aminareo hiady ho anareo amin’ ny fahavalonareo mba hamonjy anareo.
Deuteronomy 31:8Ary Jehovah no mandeha eo alohanao; ary Izy no hiaraka aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy; koa aza matahotra na mivadi-po ianao.
Joshua 1:9Tsy efa nandidy anao va Aho? Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin’ izay rehetra alehanao.
Joshua 3:7Ary hoy Jehovah tamin’ i Josoa: Anio no hanandratako anao eo imason’ ny Isiraely rehetra, hahafantarany fa tahaka ny nombako an’ i Mosesy no hombako anao koa.