Bokin'i Josoa 10:2
dia raiki-tahotra indrindra izy, satria tanàna lehibe Gibeona tahaka ny anankiray amin’ ny tanàna misy andriana, sady lehibe noho Ay, ary nahery ny lehilahy rehetra teo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 15:14Mandre ny firenena ka raiki-tahotra; Hovitra no mahazo ny mponina any Filistia;
Deuteronomy 11:25Tsy hisy olona hahajanona eo anoloanareo, fa hataon’ i Jehovah Andriamanitrareo ho azon’ ny tahotra sy horohoro anareo ny tany rehetra izay hodiavinareo, araka izay nolazainy taminareo.
Joshua 2:9ka nanao taminy hoe: Fantatro fa efa nomen’ i Jehovah anareo ny tany, ary efa latsaka aminay ny fahatahorana anareo, sady efa ketraka ny mponina rehetra amin’ ny tany noho ny tahotra anareo.
Joshua 9:3Ary ny mponina tao Gibeona nahare izay nanaovan’ i Josoa an’ i Jeriko sy Ay,
1 Samuel 27:5Ary hoy Davida tamin’ i Akisy: Raha mahita fitia eo imasonao aho, aoka mba homena fonenana ao amin’ ny tanàna anankiray any an-tsaha aho mba honenako any, fa nahoana ny mpanomponao no hitoetra aminao eto amin’ ny renivohitry ny fanjakana?
Psalms 48:4Andriamanitra ao an-tranon’ andriana ao dia nanao izay hahafantarana Azy ho fiarovana avo.