Bokin'i Josoa 10:3
Dia naniraka olona Adoni-zedeka, mpanjakan’ i Jerosalema, ho any amin’ i Hohama mpanjakan’ i Hebrona, sy Pirama, mpanjakan’ i Jarmota, sy Jafia, mpanjakan’ i Lakisy, ary Debira, mpanjakan’ i Eglona, ka nanao hoe:
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 23:2Ary Saraha dia maty tao Kiriat-arba (Hebrona izany) tany amin’ ny tany Kanana; dia tonga Abrahama hisaona an’ i Saraha sy hitomany azy.
Numbers 13:22Dia niakatra tao amin’ ny tany atsimo izy ka nankany Hebrona; ary teo Ahimana sy Sesay ary Talmay, teraky ny Anakita. (Ary Hebrona dia voaorina fito taona talohan’ i Zoana any Egypta.)
Joshua 10:5Dia niangona ireo mpanjaka dimy tamin’ ny Amorita ireo, dia ny mpanjakan’ i Jerosalema, ny mpanjakan’ i Hebrona, ny mpanjakan’ i Jarmota, ny mpanjakan’ i Lakisy, ary ny mpanjakan’ i Eglona, ka niakatra izy sy ny miaramilany rehetra, ary nitoby tandrifin’ i Gibeona ka namely azy.
Joshua 12:10ny mpanjakan’ i Jerosalema, iray; ny mpanjakan’ i Hebrona, iray;
Joshua 15:35sy Jarmota sy Adolama sy Soko sy Azeka
Joshua 15:63Ary ny amin’ ny Jebosita, mponina any Jerosalema, dia tsy naharoaka azy ny taranak’ i Joda; fa miara-monina amin’ ny taranak’ i Joda any Jerosalema mandraka androany izy ireny.