Bokin'i Josoa 10:39
dia azony koa izy sy ny mpanjakany ary ny tanànany rehetra; ary nasiany tamin’ ny lelan-tsabatra Izy, ka naringany avokoa ny olona rehetra tao; fa tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; tahaka izay efa nataony tamin’ i Hebrona, dia toy izany koa no nataony tamin’ i Debira sy ny mpanjakany, ary tahaka izay efa nataony tamin’ i Libna sy ny mpanjakany koa.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
38Dia niverina Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ka nankany Debira ary namely azy;
Cross References
Deuteronomy 3:3Dia natolotr’ i Jehovah Andriamanitsika teo an-tanantsika koa Oga, mpanjakan’ i Basana, sy ny vahoakany rehetra; dia nandresy azy isika mandra-paha-tsi-hisy niangana na dia iray akory aza.
Joshua 10:37dia afany koa izy, ka nasiany tamin’ ny lelan-tsabatra izy sy ny mpanjakany sy ny tanànany rehetra ary ny olona rehetra tao; tsy nasiany niangana na dia iray akory aza, tahaka izay rehetra efa nataony tamin’ i Eglona; fa naringany avokoa izy sy ny olona rehetra tao.
Joshua 11:8Ary Jehovah nanolotra azy teo an-tànan’ ny Isiraely izay namely azy ka nanenjika azy hatrany Sidona lehibe sy hatrany Misrefota-mamia ary hatramin’ ny lohasaha Mizpa atsinanana; dia namely azy izy mandra-paha-tsy nisy niangana na dia iray akory aza.
1 Samuel 15:3Koa mandehana ankehitriny, ka mameleza ny Amalekita, ary aringano izay rehetra mety ho azy, ka aza asiana miangana, fa vonoy avokoa, na lahy na vavy, na ankizy madinika, na zaza minono, na omby, na ondry aman’ osy, na rameva, na boriky.
2 Kings 10:11Ka dia novonoin’ i Jeho izay sisa rehetra tamin’ ny taranak’ i Ahaba tao Jezirela sy ny olom-baventy rehetra tao aminy mbamin’ ny havany ary ny mpisorony koa, ambara-paha-tsy hisy miangana na dia iray akory aza.