Bokin'i Josoa 10:5
Dia niangona ireo mpanjaka dimy tamin’ ny Amorita ireo, dia ny mpanjakan’ i Jerosalema, ny mpanjakan’ i Hebrona, ny mpanjakan’ i Jarmota, ny mpanjakan’ i Lakisy, ary ny mpanjakan’ i Eglona, ka niakatra izy sy ny miaramilany rehetra, ary nitoby tandrifin’ i Gibeona ka namely azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Numbers 13:29Ny Amalekita no monina eo amin’ ny tany atsimo; ary ny Hetita sy ny Jebosita ary ny Amorita no monina any amin’ ny tany havoana; ary ny Kananita no monina eo amoron’ ny ranomasina sy eo amoron’ i Jordana.
Joshua 9:2dia niray hina niangona hiady amin’ i Josoa sy ny Isiraely izy.
Isaiah 8:9Misafoaha ihany ianareo, ry firenena ô, nefa mbola ho ringana mihitsy ianareo; Ary mihainoa ihany, ry tany lavitra rehetra, misikìna ihany ianareo, nefa mbola ho ringana mihitsy; Eny, misikìna ihany ianareo, nefa mbola ho ringana mihitsy.