The Bible Software
bible.software › Bokin'i Josoa › Bokin'i Josoa 10 › Bokin'i Josoa 10:6

Bokin'i Josoa 10:6

Ary ny mponina tao Gibeona dia naniraka olona ho any amin’ i Josoa teo an-toby tany Gilgala hanao hoe: Aza mampiketraka ny tananao tsy hamonjy ny mpanomponao; miakara faingana ho atỳ aminay, ary vonjeo sy ampio izahay; fa miangona hamely anay ny mpanjaka rehetra amin’ ny Amorita izay monina any amin’ ny tany havoana.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And the men of Gibeon sent unto Joshua to the camp to Gilgal, saying, Slack not thy hand from thy servants; come up to us quickly, and save us, and help us: for all the kings of the Amorites that dwell in the mountains are gathered together against us.

In Context

5Dia niangona ireo mpanjaka dimy tamin’ ny Amorita ireo, dia ny mpanjakan’ i Jerosalema, ny mpanjakan’ i Hebrona, ny mpanjakan’ i Jarmota, ny mpanjakan’ i Lakisy, ary ny mpanjakan’ i Eglona, ka niakatra izy sy ny miaramilany rehetra, ary nitoby tandrifin’ i Gibeona ka namely azy.

7Dia niakatra niala tany Gilgala Josoa sy ny mpanafika rehetra teo aminy, dia ny lehilahy mahery rehetra.

Read all of Bokin'i Josoa 10

Cross References

Joshua 5:10Ary ny Zanak’ Isiraely nitoby tany Gilgala ka nitandrina ny Paska tamin’ ny harivan’ ny andro fahefatra ambin’ ny folo tamin’ ny volana, teo amin’ ny tani-hay any Jeriko.

Joshua 9:8Fa hoy izy tamin’ i Josoa: Mpanomponao izahay. Ary hoy Josoa taminy: Iza moa ianareo, ary avy aiza?

Joshua 9:24Dia namaly an’ i Josoa izy ireo ka nanao hoe: Satria nambara tokoa taminay mpanomponao fa Jehovah Andriamanitrao efa nandidy an’ i Mosesy mpanompony hanome anareo ny tany rehetra sy handringana ny mponina rehetra amin’ ny tany eo anoloanareo, ary natahotra ny ho faty izahay noho ny aminareo, ka dia nanao izany zavatra izany;

2 Kings 4:24Ary ravehivavy dia nanisy lasely ny borikivavy, ka hoy izy tamin’ ny zatovony: Ampandehano, izy ka mizora; aza miahotrahotra akory amin’ ny fampandehananao azy, raha tsy ampijanoniko ianao.

Isaiah 33:22Fa Jehovah no Mpitsara antsika; Jehovah no mpanome lalàna antsika; Jehovah no mpanjakantsika; Izy no hamonjy antsika.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Josoa 10:6

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Josoa 10:5Bokin'i Josoa 10Bokin'i Josoa 10:7 →