Bokin'i Josoa 13:14
Ny firenen’ i Levy ihany no tsy nomeny lova; ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no lovany araka izay nolazainy taminy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
15Ary nomen’ i Mosesy lova ny firenena taranak’ i Robena araka ny fokony
Cross References
Numbers 18:20Ary hoy Jehovah tamin’ i Arona: Tsy mba hanana lova eo amin’ ny tany ianao sady tsy mba hanana anjara eo aminy; Izaho no anjaranao sy lovanao eo amin’ ny Zanak’ Isiraely.
Numbers 18:24Fa ny fahafolon-karen’ ny Zanak’ Isiraely, izay ateriny ho fanatitra ho an’ i Jehovah, dia efa nomeko ho an’ ny taranak’ i Levy ho fananany; izany no nilazako taminy hoe: Tsy hanana lova eo amin’ ny Zanak’ Isiraely izy.
Deuteronomy 12:12Dia hifaly eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrareo ianareo sy ny zanakareo-lahy sy ny zanakareo-vavy sy ny ankizilahinareo sy ny ankizivavinareo ary ny Levita izay ao an-tanànanareo; fa ny Levita tsy mba manana anjara na lova eo aminareo.
Deuteronomy 18:1Ny Levita mpisorona, dia ny firenen’ i Levy rehetra, tsy mba hanana anjara na lova eo amin’ ny Isiraely; ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah sy ny anjaran’ i Jehovah no ho fihinany.
Joshua 14:3Fa efa nomen’ i Mosesy lova tany an-dafin’ i Jordana ny firenena roa sy sasany; fa ny taranak’ i Levy tsy mba nomeny lova teo aminy.
Ezekiel 44:28Ary hisy lova ho azy, dia Izaho no lovany; ary tsy homenareo zara-tany eo amin’ ny Isiraely izy, fa Izaho no anjarany.