Bokin'i Josoa 13:16
Ary ny fari-taniny dia hatrany Aroera, izay eo amoron’ ny lohasahan-driaka Arnona, ary ny tanàna izay eo afovoan’ ny lohasaha sy ny tany lemaka rehetra any Medeba,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
15Ary nomen’ i Mosesy lova ny firenena taranak’ i Robena araka ny fokony
Cross References
Numbers 21:26Hesbona no tanànan’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, izay efa nanafika ny mpanjakan’ i Moaba taloha, ka efa nalainy taminy avokoa ny taniny rehetra hatrany Arnona.
Numbers 32:33Dia nomen’ i Mosesy ho an’ ny taranak’ i Gada sy ny taranak’ i Robena ary ny an-tsasaky ny firenen’ i Manase, zanak’ i Josefa, ny fanjakan’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorka, sy ny fanjakan’ i Oga, mpanjakan’ i Basana dia ny tany mbamin’ ny tanànany ao amin’ ny fari-tany, dia ny tanàna eny amin’ ny tany manodidina.
Joshua 12:2Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, izay nonina tany Hesbona ka nanjaka hatrany Aroera, eo amoron’ ny lohasahan-driaka Arnona, ka hatreo afovoan’ ny lohasaha sy ny antsasak’ i Gileada, dia hatramin’ ny lohasahan-driaka Jaboka, fari-tanin’ ny taranak’ i Amona,
Joshua 14:3Fa efa nomen’ i Mosesy lova tany an-dafin’ i Jordana ny firenena roa sy sasany; fa ny taranak’ i Levy tsy mba nomeny lova teo aminy.
Judges 11:26Raha ny Isiraely nitoetra telon-jato taona tany Hesboala sy ny zana-bohiny ary tany Aroera sy ny zana-bohiny ary tany amin’ ny tanàna rehetra eny amoron’ i Arnona, nahoana no tsy nalainareo ny tany tamin’ izany andro izany?
Isaiah 15:4Ary mitaraina Hesbona sy Elale, ka re hatrany Jahaza ny feony, ary noho izany dia miantso mafy ny miaramilan’ i Moaba, Mangovitra ny fanahiny ao anatiny.