Bokin'i Josoa 13:2
Izao no tany sisa tsy mbola azo: Ny tany rehetra an’ ny Filistina sy ny Gesorita rehetra,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
This is the land that yet remaineth: all the borders of the Philistines, and all Geshuri,
In Context
Cross References
Genesis 26:1Ary nisy mosary indray teo amin’ ny tany afa-tsy ilay mosary voalohany fony fahavelon’ i Abrahama. Ary Isaka nankany amin’ i Abimeleka mpanjakan’ ny Filistina, tany Gerara.
Deuteronomy 11:23dia horoahin’ i Jehovah eo anoloanareo ireo firenena rehetra ireo, ary ianareo haharesy firenena maro, izay lehibe sy mahery noho ianareo.
Joshua 13:11ary Gileada sy ny tanin’ ny Gesorita sy ny Makatita sy ny tendrombohitra Hermona rehetra ary Basana rehetra hatrany Saleka,
Judges 3:1Ary ny firenena navelan’ i Jehovah ho entiny mizaha toetra ny Isiraely dia izay rehetra tsy mba nahita ny ady rehetra tany Kanana,
2 Samuel 3:3ary Kileaba, tamin’ i Abigaila, ilay novinadin’ i Nabala Karmelita, no lahiaivo; ary ny fahatelo dia Absaloma, zanak’ i Maka, zanakavavin’ i Talmay, mpanjakan’ i Gesora;
2 Samuel 15:8Fa nivoady aho mpanomponao, fony mbola nitoetra tany Gesora any Syria, nanao hoe: Raha mbola hampodin’ i Jehovah any Jerosalema ihany aho, dia hanompo an’ i Jehovah.