Bokin'i Josoa 13:25
Ary ny faritaniny dia Jazera sy ny tanàna rehetra any Gileada ary ny antsasaky ny tanin’ ny taranak’ i Amona, hatrany Aroera, izay tandrifin’ i Raba,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
24Ary nomen’ i Mosesy koa ny firenen’ i Gada, dia ny taranak’ i Gada araka ny fokony.
Cross References
Numbers 21:26Hesbona no tanànan’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, izay efa nanafika ny mpanjakan’ i Moaba taloha, ka efa nalainy taminy avokoa ny taniny rehetra hatrany Arnona.
Numbers 32:35sy Atrota-sofana sy Jazera ary Jogbeha
Deuteronomy 3:11Fa Oga, mpanjakan’ i Basana, ihany no sisa velona tamin’ ny Refalta; indro, farafara vy ny farafarany (tsy ao Raban’ ny taranak’ i Amona va Izany?), sivy hakiho ny halavany, ary efatra hakiho ny sakany, araka ny hakihon’ ny lehilahy.
Judges 5:17Gileada nitoetra tany an-dafin’ i Jordana; Ary nahoana Dana no nitoetra tany an-tsambo? Asera nitoetra tany amoron-dranomasina, Ary teny amin’ ny fitodiany no nipetrahany.
2 Samuel 11:1Ary rehefa niherina ny taona, ka mby amin’ ny andro fandehanan’ ny mpanjaka hiady, dia naniraka an’ i Joaba sy ny mpanompony ary ny Isiraely rehetra Davida, ka nandringana ny taranak’ i Amona ireo sady nanao fahirano an’ i Raha; fa Davida kosa nijanona tany Jerosalema ihany.
2 Samuel 24:5Ary nita an’ i Jordana izy ireo ka nitoby tao Aroera eo ankavanan’ ilay tanàna afovoan’ ny lohasahan-driak’ i Gada, dia nankany Jazera.