Bokin'i Josoa 13:26
ary hatrany Hesbona ka hatrany Ramatamizpa sy Betonima ary hatrany Mahanaima ka hatramin’ ny faritanin’ i Debira;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And from Heshbon unto Ramath-mizpeh, and Betonim; and from Mahanaim unto the border of Debir;
In Context
Cross References
Genesis 31:49Ary nataony hoe Mizpa koa izy, fa hoy izy: Jehovah hitazana ahy sy ianao, rehefa tsy mifankahita isika.
Joshua 20:8Ary dia nifidy an’ i Bezera any an-efitra amin’ ny tany lemaka izay an’ ny firenen’ i Robena izy, ary Ramota izay any Gileada, an’ ny firenen’ i Gada, ary Golana any Basana, izay an’ ny firenen’ i Manase, any an-dafy atsinanan’ i Jordana, tandrifin’ i Jeriko.
Judges 10:17Dia nivory ny taranak’ i Amona ka nitoby tany Gileada. Ary nivory kosa ny Zanak’ Isiraely ka nitoby tany Mizpa.
Judges 11:29Ary tonga tao amin’ i Jefta ny Fanahin’ i Jehovah, dia nandeha nitety an’ i Gileada sy Manase izy; ka dia nitety an’ i Mizpa any Gileada koa izy ka niala tany Mizpa any Gileada, dia nandroso nankany amin’ ny taranak’ i Amona.
2 Samuel 9:4Ary hoy ny mpanjaka taminy; Aiza anefa izy? Dia hoy Ziba tamin’ ny mpanjaka: Indro izy ao an-tranon’ i Makira, zanak’ i Amiela, ao Lo-debara.
1 Kings 22:3Ary hoy ny mpanjakan’ ny Isiraely tamin’ ny mpanompony: Moa fantatrareo va fa antsika Ramota-gileada, nefa isika mitoetra foana ka tsy maka azy amin’ ny tanan’ ny mpanjakan’ i Syria?