Bokin'i Josoa 13:3
hatrany Sihora, izay atsinanan’ i Egypta, ka hatramin’ ny fari-tanin’ i Elzrona eo avaratra, izay atao ho an’ ny Kananita, ireo andriana dimy amin’ ny Filistina dia ny Gazita sy ny Asdodita sy ny Askelonita sy ny Gatita sy ny Ekronita ary ny Avita
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
2Izao no tany sisa tsy mbola azo: Ny tany rehetra an’ ny Filistina sy ny Gesorita rehetra,
Cross References
Genesis 10:15Ary Kanana niteraka an’ i Sidona lahimatoany sy Heta,
Numbers 34:2Mandidia ny Zanak’ Isiraely hoe: Raha tonga any amin’ ny tany Kanana ianareo, dia izao no tany izay ho azonareo ho lova, dia ny tany Kanana araka izay fari-taniny.
Joshua 13:13Kanefa tsy mba noroahin’ ny Zanak’ Isiraely ny Gesorita sy ny Makatita; fa mitoetra eo amin’ ny Zanak’ Isiraely mandraka androany ny Gesorita sy ny Makatita.
1 Samuel 5:8Dia naniraka olona izy ka nanangona ireo andriana rehetra tamin’ ny Filistina hankeo aminy ka nanao hoe: Hataontsika ahoana ny fiaran’ ny Andriamanitry ny Isiraely? Dia hoy ireo: Aoka hafindra hankany Gata ny fiaran’ ny Andriamanitry ny Isiraely. Dia nafindrany ny fiaran’ ny Andriamanitry ny Isiraely.
1 Samuel 6:4Dia hoy ny olona: Inona ary no fanati-panonerana haterinay ho Azy? Ary hoy kosa ireo: Vay volamena dimy sy totozy volamena dimy, araka ny isan’ ireo andrianan’ ny Filistina; fa aretina iray ihany no manjo anareo rehetra sy ny andriananareo.
1 Chronicles 13:5Dia novorin’ i Davida ny Isiraely rehetra hatrany Sihora any Egypta ka hatrany akaikin’ i Hamata haka ny fiaran’ Andriamanitra avy any Kiriata-jearima.