Bokin'i Josoa 13:8
Ary niaraka tamin’ ireo koa no nahazoan’ ny Robenita sy ny Gadita ny lovany, dia ilay nomen’ i Mosesy azy any an-dafy atsinanan’ i Jordana, araka izay nomen’ i Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, azy,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Numbers 32:19Fa tsy hiara-mandray zara-tany aminy izahay hatrany an-dafin’ i Jordana no ho miankandrefana, satria efa azonay atỳ an-dafy atsinanan’ i Jordana atỳ ny zara-taninay.
Deuteronomy 3:8Ary nalaintsika tamin’ izany andro izany tamin’ ny mpanjaka roan’ ny Amorita ny tany izay any an-dafin’ i Jordana, hatramin’ ny lohasahan-driaka Arnona ka hatramin’ ny tendrombohitra Hermona
Joshua 4:12Ary ny taranak’ i Robena sy ny taranak’ i Gada ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase dia samy efa voaomana hiady ka nita teo alohan’ ny Zanak’ Isiraely koa, araka izay efa nolazain’ i Mosesy taminy.
Joshua 22:4Ary ankehitriny dia efa nomen’ i Jehovah Andriamanitrareo fitsaharana ny rahalahinareo, araka izay nolazainy taminy; koa modia ankehitriny, ka mankanesa any amin’ ny lainareo avy, ho any amin’ ny taninareo, izay nomen’ i Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, anareo any an-dafin’ i Jordana.