bible.software › Bokin'i Josoa › Bokin'i Josoa 14 › Bokin'i Josoa 14:7
Bokin'i Josoa 14:7
Efa-polo taona no andro niainako, fony aho nirahin’ i Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, niala tany Kadesi-barnea hisafo ny tany; dia niverina aho nitondra teny taminy araka izay tao am-poko.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Forty years old was I when Moses the servant of the LORD sent me from Kadesh-barnea to espy out the land; and I brought him word again as it was in mine heart.
In Context
6Dia nankany amin’ i Josoa tany Gilgala ny taranak’ i Joda; ary Kaleba, zanak’ i Jefone, Kenizita, nanao taminy hoe: Fantatrao ny teny izay nolazain’ i Jehovah tamin’ i Mosesy, lehilahin’ Andriamanitra, ny amiko sy ianao tany Kadesi-barnea.
8Kanefa ireo rahalahiko izay niara-niakatra tamiko dia nanaketraka ny fon’ ny olona; fa izaho kosa dia tanteraka tamin’ ny fanarahana an’ i Jehovah Andriamanitrao.
Read all of Bokin'i Josoa 14
Cross References
Numbers 13:16Ireo no anaran’ ny lehilahy izay nirahin’ i Mosesy hisafo ny tany. Ary Hosea, zanak’ i Nona, dia nataon’ i Mosesy hoe Josoa.
Numbers 13:30Fa Kaleba dia nampangina ny olona teo anatrehan’ i Mosesy ka nanao hoe: Andeha isika hiakatra mihitsy mba hahazoantsika azy, fa haharesy azy tokoa isika.
This Verse In Other Editions
Study Bokin'i Josoa 14:7