The Bible Software
Joshua · Baiboly Malagasy (1865)

Joshua 16

1Ary ny faritry ny tany azon’ ny taranak’ i Josefa tamin’ ny filokana dia hatrany Jordana tandrifin’ i Jeriko, dia tao amin’ ny ranon’ i Jeriko atsinanana, ka hatramin’ ny efitra izay fiakarana avy any Jeriko, mamaky ny tany havoan’ i Betela,

2dia hatrany Betela ka hatrany Lozy, ka nandroso hatramin’ ny fari-tanin’ ny Arkita hatrany Atarota,

3dia nidina niankandrefana nahazo ny tanin’ ny Jafletita ka hatramin’ ny fari-tanin’ i Bedhorona ambany sy Gazera ka dia nihatra tamin’ ny ranomasina.

4Dia azon’ i Manase sy Efraima, taranak’ i Josefa, ny lovany.

5Ary ny amin’ ny fari-tanin’ ny taranak’ i Efraima araka ny fokony, ny fari-taniny atsinanana amin’ ny lovany dia hatrany Atarot-adara ka hatrany Beti-horona ambony.

6Ary ny fari-taniny dia nandroso niankandrefana hatrany avaratr’ i Mikmeta, dia niolaka niantsinanana hatrany Tanata-silo ka nihoatra eo atsinanany hatrany Janoha,

7dia nidina hatrany Janoha ka hatrany Atarota sy Narata, dia nipaka tamin’ i Jeriko ary dia nihatra tany Jordana.

8Ary hatrany Tapoa dia niankandrefana ny fari-tany hatramin’ ny lohasahan-driak’ i Kana, ka dia nihatra tamin’ ny ranomasina. Izany no lovan’ ny firenena taranak’ i Efraima araka ny fokony,

9mbamin’ ny tanàna natokana ho an’ ny taranak’ i Efraima teo amin’ ny lovan’ ny taranak’ i Manase koa, dia ny tanàna rehetra mbamin’ ny zana-bohiny.

10Ary tsy nandroaka ny Kananita izay nonina tany Gazera izy; fa monina eo amin’ i Efraima ny Kananita mandraka androany ka ampanaovina fanompoana.

← Joshua 15Read In The App, Free →Joshua 17 →

Study Joshua 16

KJVMatthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)Reina-Valera (Español)Bíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)

All Chapters

123456789101112131415161718192021222324