Bokin'i Josoa 17:13
Fa rehefa nihahery ny Zanak’ Isiraely dia nampanao fanompoana ny Kananita izy, fa tsy nandroaka azy rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Deuteronomy 20:11Ary raha fihavanana no avaliny anao, ka mampandroso anao izy, dia hampanaovinao fanompoana ny olona rehetra ao, ka hanompo anao izy.
Judges 1:28Fa rehefa nihahery kosa ny Isiraely, dia nampanaoviny fanompoana ny Kananita, fa tsy nandroaka azy rehetra izy.
Judges 1:33Naftaly tsy nandroaka ny mponina tany Beti-semesy, na ny mponina tany Bet-anata; fa nonina teo amin’ ny Kananita tompon-tany izy, kanefa nampanaoviny fanompoana ny mponina tany Beti-semesy sy Bet-anata.
2 Samuel 3:1Ary naharitra ela ny adin’ ny tamingan’ i Saoly sy ny tamingan’ i Davida, nefa Davida nihahery, fa ny tamingan’ i Saoly kosa nihahosa.
2 Chronicles 8:8dia ny taranany izay sisa nandimby azy teo amin’ ny taniny, fa tsy naringan’ ny Isiraely, no nampanaovin’ i Solomona fanompoana mandraka androany.
Philippians 4:13Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’ ilay mampahery ahy.