Bokin'i Josoa 17:4
Dia nanatona teo anatrehan’ i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak’ i Nona, ary ny loholona izy ireo ka nanao hoe: Jehovah efa nandidy an’ i Mosesy hanome anay zara-tany eo amin’ ny anadahinay. Ary dia nomeny lova teo amin’ ny rahalahin-drainy izy araka ny didin’ i Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
5Dia nahazo anjaram-polo Manase afa-tsy ny tany Gileada sy Basana, izay any an-dafin’ i Jordana,
Cross References
Numbers 27:1Ary avy ny zanakavavin’ i Zelofada, zanakalahin’ i Hefera, zanak’ i Gileada, zanak’ i Makira, zanak’ i Manase, avy tamin’ ny fokon’ i Manase, zanak i Josefa (ary izao no anarany: Mahala sy Noa sy Hogla sy Milka ary Tirza),
Numbers 27:5Ary nalahatr’ i Mosesy teo anatrehan’ i Jehovah ny tenin’ ireo.
Numbers 34:17Izao no anaran’ ny lehilahy izay hizara ny tany ho anareo: Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak’ i Nona.
Joshua 14:1Ary izao no nolovan’ ny Zanak’ Isiraely teo amin’ ny tany Kanana, izay nampandovain’ i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak’ i Nona, ary ny loholon’ ny firenen’ i Zanak’ Isiraely;
Galatians 3:28Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany ianareo rehetra ao amin’ i Kristy Jesosy.