Bokin'i Josoa 18:10
Ary Josoa dia nanao filokana ho azy tao Silo teo anatrehan’ i Jehovah; ary tao no nizaran’ i Josoa ny tany ho an’ ny Zanak’ Isiraely araka ny fizarany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Joshua 14:5Araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy no nataon’ ny Zanak’ Isiraely, ka dia nizara ny tany izy.
Joshua 18:8Dia niainga ireo lehilahy ireo ka nandeha; ary Josoa nandidy izay nandeha hanoratra ny tany ka nanao hoe: Mandehana nitety ny tany, ka soraty izy, dia miverena atỳ amiko, ka eto Silo no hanaovako filokana ho anareo eo anatrehan’ i Jehovah.
Joshua 23:4Indreo, efa voazarako ho lovan’ ny firenenareo tamin’ ny filokana ireo firenena sisa ireo, hatrany Jordana, mbamin’ ny firenena rehetra izay nofongorako, ka hatramin’ ny Ranomasina Lehibe andrefana.
Nehemiah 11:1Ary nonina tany Jerosalema ny mpanapaka ny olona; ary ny olona sisa nanao filokana hahatonga ny ampahafolony honina any Jerosalema, tanàna masìna, fa ny sivy toko kosa dia any an-tanàna hafa.
Psalms 47:4Mandresy firenena maro Izy ho ambanintsika, ary firenen-tsamy hafa ho ambanin’ ny tongotsika.
Proverbs 18:18Ny filokana mampitsahatra ady Ary mampisaraka ny samy mahery.