Bokin'i Josoa 18:6
Ary soratinareo ny tany ka ataovy fito toko; ary ento atỳ amiko ny soratra, dia hanao filokana ho anareo eto anatrehan’ i Jehovah Andriamanitsika aho.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Numbers 33:54Ary filokana no hizaranareo ny tany araka ny fokonareo avy: ny maro isa homenareo zara-tany bebe kokoa, ary ny vitsy isa homenareo kelikely kokoa; samy ao amin’ izay ivoahan’ ny filokana ho azy no ho anjarany; araka ny firenen’ ny razanareo no hahazoanareo zara-tany.
Joshua 14:2tamin’ ny filokana no nahazoany ny lovany, araka izay efa nandidian i Jehovah an’ i Mosesy ny amin’ ny firenena sivy sy sasany.
Joshua 18:10Ary Josoa dia nanao filokana ho azy tao Silo teo anatrehan’ i Jehovah; ary tao no nizaran’ i Josoa ny tany ho an’ ny Zanak’ Isiraely araka ny fizarany.
Proverbs 16:33Ny filokana dia atsipy ao am-pofoany; Fa avy amin’ i Jehovah ihany no isehoan’ ny fitsarany.
Acts 13:19Ary rehefa nandrava firenena fito tany amin’ ny tany Kanana Izy, dia nampandovainy ny tanin’ ireny izy