Bokin'i Josoa 19:49
Dia vitany ny nizarana ny tany holovany araka ny fari-taniny, ka dia nomen’ ny Zanak’ Isiraely lova teo aminy koa Josoa, zanak’ i Nona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
48Izany no lovan’ ny firenena taranak’ i Dana araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny.
Cross References
Ezekiel 45:7Ary ny mpanjaka dia homenareo tany eo an-daniny roa amin’ ny anjara masìna voatokana sy amin’ ny tany ho an’ ny tanàna, dia ny mifanolotra amin’ ny anjara masìna voatokana sy ny mifanolotra amin’ ny tany ho an’ ny tanàna, hatreo amin’ ny andrefana mikipaka miankandrefana, ary hatreo amin’ ny atsinanana mikipaka miantsinanana; ary ny sakany, dia mifanolotra amin’ ireo anjaran’ ny firenena, na amin’ ny andrefana na amin’ ny atsinanana.