Bokin'i Josoa 2:10
Fa efa renay ny nanamainan’ i Jehovah ny Ranomasina Mena teo anoloanareo tamin’ ny nivoahanareo avy tany Egypta, sy izay nataonareo tamin’ ny mpanjaka roa tamin’ ny Amorita, izay tany an-dafin’ i Jordana, dia Sihona sy Oga, izay novonoinareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 14:21Dia nahinjitr’ i Mosesy teo ambonin’ ny ranomasina ny tànany; ary rivotra mahery avy atsinanana no nampisavan’ i Jehovah ny ranomasina mandritra iny alina iny, ka nataony tany maina ny ranomasina, ary dia voasaraka ny rano.
Numbers 21:21Ary ny Isiraely naniraka olona ho any amin’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, hanao hoe:
Deuteronomy 2:30Fa Sihona, mpanjakan’ i Hesbona, tsy nety namela antsika handeha hamaky ny taniny; fa Jehovah Andriamanitrao nanamafy ny fony sy nampahaditra ny fanahiny, mba hanolorany azy eo an-tananao tahaka ny amin’ izao anio izao.
Joshua 9:10ary izay rehetra nataony tamin’ ny mpanjaka roa tamin’ ny Amorita, izay tany an-dafin’ i Jordana, dia Sihona, mpanjakan’ i Hesbona, sy Oga, mpanjakan’ i Basana, izay tany Astarta.