Bokin'i Josoa 2:12
Koa ankehitriny, masìna ianareo, mba ianiano amin’ i Jehovah aho fa araka ny namindrako fo taminareo no mba hamindranareo fo amin’ ny ankohonan’ ny raiko kosa, ka omeo famantarana mahatoky aho
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 24:9Ary nataon’ ilay mpanompo tambanin’ ny fen’ i Abrahama tompony ny tanany, ka nianiana taminy ny amin’ izany zavatra izany izy.
Exodus 12:13Ary ny rà dia ho famantarana ho anareo eo amin’ ny trano izay itoeranareo; ary raha mahita ny rà Aho, dia handalo anareo, ka tsy hisy loza handringana anareo, raha mamely ny tany Egypta Aho.
Joshua 2:18Indro, rehefa tonga eto amin’ ny tany izahay, dia hafehinao eo amin’ ny varavarankely izay nampidinanao anay io kofehy jaky io; ary ny rainao sy ny reninao sy ny anadahinao mbamin’ ny ankohonan’ ny rainao rehetra dia hovorinao ho ao an-tranonao;
Joshua 9:18Fa tsy namely azy ny Zanak’ Isiraely, satria Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no efa nianianan’ ny lohan’ ny fiangonana taminy. Dia nimonomonona tamin’ ireo loholona ny fiangonana rehetra.
1 Samuel 20:14Ary raha mbola velona ihany aho, dia tsy hasehonao ahy va ny fiantran’ i Jehovah mba tsy hahafaty ahy?
1 Samuel 30:15Ary hoy Davida taminy: Hitondra ahy midìna ho amin’ izany jirika izany va ianao? Ary hoy izy: Mianiàna amiko amin’ Andriamanitra fa tsy hamono ahy ianao na hanolotra ahy ho eo an-tànan’ ny tompoko, dia hitondra anao midìna ho amin’ izany jirika izany aho.