Bokin'i Josoa 2:6
Kanjo efa nampiakarin-dravehivavy any an-tampon-trano izy ka nafeniny ao amin’ ny tahon-drongony, izay efa nalahany teo amin’ ny tampon-trano.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 2:2Dia nanan’ anaka ravehivavy ka niteraka zazalahy; ary rehefa hitany fa zaza tsara izy, dia nafeniny telo volana.
Joshua 2:8Ary raha mbola tsy natory izy roa lahy, dia niakatra nankao aminy tao an-tampontrano ravehivavy
2 Samuel 17:19Ary nalain’ ny vadin-dralehilahy ny rakotra ka narakony teo am-bavan’ ny lavaka fantsakana, ary dia nanahy koba teo amboniny izy, ka tsy nisy nahalala.
1 Kings 18:13Moa tsy nolazaina taminao va, tompoko, izay nataoko tamin’ ilay namonoan’ i Jezebela ny mpaminanin’ i Jehovah, dia ny nanafenako ny mpaminanin’ i Jehovah zato lahy, ka dimam-polo avy no nataoko tao an-johy iray, ary novelomiko mofo sy rano ireo?
Jeremiah 36:26Ary ny mpanjaka nandidy an’ i Jeremeia, zanak’ andriana, sy Seraia, zanak’ i Azriela, ary Selemia, zanak’ i Abdela, hisambotra an’ i Baroka mpanoratra sy Jeremia mpaminany; fa nafenin’ i Jehovah izy roa lahy.
Colossians 3:3Fa efa maty ianareo, ary ny fiainanareo miara-miafina amin’ i Kristy ao amin’ Andriamanitra.