The Bible Software
bible.software › Bokin'i Josoa › Bokin'i Josoa 2 › Bokin'i Josoa 2:9

Bokin'i Josoa 2:9

ka nanao taminy hoe: Fantatro fa efa nomen’ i Jehovah anareo ny tany, ary efa latsaka aminay ny fahatahorana anareo, sady efa ketraka ny mponina rehetra amin’ ny tany noho ny tahotra anareo.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And she said unto the men, I know that the LORD hath given you the land, and that your terror is fallen upon us, and that all the inhabitants of the land faint because of you.

In Context

8Ary raha mbola tsy natory izy roa lahy, dia niakatra nankao aminy tao an-tampontrano ravehivavy

10Fa efa renay ny nanamainan’ i Jehovah ny Ranomasina Mena teo anoloanareo tamin’ ny nivoahanareo avy tany Egypta, sy izay nataonareo tamin’ ny mpanjaka roa tamin’ ny Amorita, izay tany an-dafin’ i Jordana, dia Sihona sy Oga, izay novonoinareo.

Read all of Bokin'i Josoa 2

Cross References

Genesis 15:18Tamin’ izany andro izany Jehovah nanao fanekena tamin’ i Abrama ka nanao hoe: Ny taranakao efa nomeko ity tany ity hatrany amin’ ny onin’ i Egypta ka hatrany amin’ ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata,

Exodus 3:6Dia hoy koa Izy: Izaho no Andriamanitry ny razanao, dia Andriamanitr’ i Abrahama sy Andriamanitr’ Isaka ary Andriamanitr’ i Jakoba. Dia nisaron-tava Mosesy, fa natahotra hijery an’ Andriamanitra izy.

Exodus 15:16Mahazo azy ny tahotra sy ny hovitra; Noho ny halehiben’ ny sandrinao dia mangìna tahaka ny vato izy, mandra-pandalon’ ny olonao, Jehovah ô, mandra-pandalon’ny olona izay navotanao.

Exodus 23:27Hampandeha ny fahatahorana Ahy eo alohanao Aho ka hampifanaritaka ny firenena rehetra izay alehanao, ary hampiamboho ny fahavalonao rehetra anao Aho.

Deuteronomy 11:25Tsy hisy olona hahajanona eo anoloanareo, fa hataon’ i Jehovah Andriamanitrareo ho azon’ ny tahotra sy horohoro anareo ny tany rehetra izay hodiavinareo, araka izay nolazainy taminareo.

Deuteronomy 32:8Fony nomen’ ny Avo Indrindra zara-tany ny jentilisa, Ka samy natokantokany ny zanak’ olombelona, Dia notendreny ny fari-tanin’ ireo firenena Araka ny isan’ ny Zanak’ Isiraely.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Josoa 2:9

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Josoa 2:8Bokin'i Josoa 2Bokin'i Josoa 2:10 →