bible.software › Bokin'i Josoa › Bokin'i Josoa 20 › Bokin'i Josoa 20:5
Bokin'i Josoa 20:5
Ary raha manenjika azy ny mpamaly rà, dia tsy hanolotra ilay nahafaty olona ho eo an-tànany izy, satria nahafaty tsy nahy ny namany, fa tsy dia nankahala azy teo aloha.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And if the avenger of blood pursue after him, then they shall not deliver the slayer up into his hand; because he smote his neighbour unwittingly, and hated him not beforetime.
In Context
4Ary raha misy mandositra ho ao amin’ ny anankiray amin’ ireo tanàna ireo ka mijanona eo anoloan’ ny vavahady ary mandahatra ny teniny eo anatrehan’ ny loholona amin’ izany tanàna izany, dia hampidiriny ho ao an-tanàna izy ka homeny toerana, mba hitoetra ao aminy.
6Dia hitoetra ao amin’ izany tanàna izany izy mandra-pisehony eo anatrehan’ ny fiangonana hotsaraina, sy mandra-pahafatin’ izay mpisoronabe amin’ izany andro izany; dia hiverina ilay nahafaty olona ka hody any an-tanànany sy any an-tranony, dia any amin’ ny tanàna izay nialany fony izy nandositra.
Read all of Bokin'i Josoa 20
Cross References
Numbers 35:25Ary hovonjen’ ny fiangonana ho afaka amin’ ny mpamaly rà ilay nahafaty olona, ka hateriny indray ho ao amin’ ny tanàna fandosirana izay nalehany tamin’ izy nandositra; ary hitoetra ao izy mandra-pahafatin’ ny mpisoronabe izay voahosotra tamin’ ny diloilo masìna.
This Verse In Other Editions
Study Bokin'i Josoa 20:5