Bokin'i Josoa 20:9
Ireo no tanàna voafidy ho an’ ny Zanak’ Isiraely rehetra sy ny vahiny eo aminy handosiran’ izay rehetra nahafaty olona tsy nahy, mba tsy ho fatin’ ny tanan’ ny mpamaly rà izy mandra-pisehony eo anatrehan’ ny fiangonana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Numbers 35:15Ireo tanàna enina ireo dia ho fandosirana ho an’ ny Zanak’ Isiraely sy ny vahiny ary ny mpitoetra ao aminy, mba handosiran’ izay rehetra nahafaty olona tsy nahy.
Joshua 20:6Dia hitoetra ao amin’ izany tanàna izany izy mandra-pisehony eo anatrehan’ ny fiangonana hotsaraina, sy mandra-pahafatin’ izay mpisoronabe amin’ izany andro izany; dia hiverina ilay nahafaty olona ka hody any an-tanànany sy any an-tranony, dia any amin’ ny tanàna izay nialany fony izy nandositra.