Bokin'i Josoa 22:13
Dia naniraka an’ i Finehasa, zanak’ i Eleazara mpisorona, ny Zanak’ Isiraely ho any amin’ ny taranak’ i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase, any amin’ ny tany Gileada,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Numbers 25:7Ary raha nahita izany Finehasa, zanak’ i Eleazara, zanak’ i Arona mpisorona, dia nitsangana niala teo amin’ ny fiangonana izy ka nitondra lefona teny an-tànany;
Numbers 32:1Ary nanana omby aman’ ondry be indrindra ny taranak’ i Robena sy ny taranak’ i Gada; ary rehefa nahita ny tany Jazera sy ny tany Gileada izy, fa tany tsara ho fiandrasana omby aman’ ondry io,
Judges 20:12Ary ny firenen’ Isiraely dia naniraka olona tany amin’ ny firenen’ i Benjamina rehetra hanao hoe: Inona izao ratsy natao teto aminareo izao?
1 Chronicles 9:20Ary Finehasa, zanak’ i Eleazara, no mpanapaka ireo taloha, ary Jehovah nomba azy.
Psalms 106:30Fa nitsangana nandroso Finehasa ka nanao fitsarana; Dia nitsahatra ny areti-mandringana.
Proverbs 25:9Miadia ihany ny adinao amin’ ny namanao, Kanefa aza aseho izay tsy tian’ ny sasany holazaina,