bible.software › Bokin'i Josoa › Bokin'i Josoa 22 › Bokin'i Josoa 22:30
Bokin'i Josoa 22:30
Ary rehefa ren’ i Finehasa mpisorona sy ny lohan’ ny fiangonana, dia ny mpifehy arivo tamin’ ny Isiraely, izay niaraka taminy, ny teny izay nolazain’ ny taranak’ i Robena sy Gada ary ny taranak’ i Manase, dia sitrany izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And when Phinehas the priest, and the princes of the congregation and heads of the thousands of Israel which were with him, heard the words that the children of Reuben and the children of Gad and the children of Manasseh spake, it pleased them.
In Context
29Sanatria aminay raha hiodina amin’ i Jehovah ka hiala anio amin’ ny fanarahana an’ i Jehovah hanorina alitara hanaterana fanatitra dorana, na fanatitra hohanina, na fanatitra hafa alatsa-drà, afa-tsy ny alitaran’ i Jehovah Andriamanitsika, izay eo anoloan’ ny tabernakeliny.
31Ary hoy Finehasa, zanak’ i Eleazara mpisorona, tamin’ ny taranak’ i Robena sy Gada ary ny taranak’ i Manase: Fantatray anio fa eto amintsika Jehovah, satria tsy nanao izany fahadisoana izany tamin’ i Jehovah ianareo; ary amin’ izany dia efa namonjy ny Zanak’ Isiraely tamin’ ny tànan’ i Jehovah ianareo.
Read all of Bokin'i Josoa 22
Cross References
Joshua 22:33Ary sitraky ny zanak’ Isiraely izany, dia nisaotra an’ Andriamanitra ny Zanak’ Isiraely ka tsy nihevitra hiakatra hiady aminy intsony handrava ny tany izay nonenan’ ny taranak’ i Robena sy Gada.
1 Samuel 25:32Ary hoy Davida tamin’ i Abigaila: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay naniraka anao hihaona amiko androany.
2 Chronicles 30:4Ary sitraky ny mpanjaka sy ny fiangonana rehetra izany.
Proverbs 15:1Ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy; Fa ny teny maharary mahatonga fahasosorana.
This Verse In Other Editions
Study Bokin'i Josoa 22:30