Bokin'i Josoa 22:33
Ary sitraky ny zanak’ Isiraely izany, dia nisaotra an’ Andriamanitra ny Zanak’ Isiraely ka tsy nihevitra hiakatra hiady aminy intsony handrava ny tany izay nonenan’ ny taranak’ i Robena sy Gada.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Joshua 22:30Ary rehefa ren’ i Finehasa mpisorona sy ny lohan’ ny fiangonana, dia ny mpifehy arivo tamin’ ny Isiraely, izay niaraka taminy, ny teny izay nolazain’ ny taranak’ i Robena sy Gada ary ny taranak’ i Manase, dia sitrany izany.
1 Chronicles 29:20Ary hoy Davida tamin’ ny fiangonana rehetra: Masìna ianareo, misaora an’ i Jehovah Andriamanitrareo. Ary ny fiangonana rehetra dia nisaotra an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany, sady niondrika ka niankohoka teo anatrehan’ i Jehovah sy ny mpanjaka.
Proverbs 25:25Rano mangatsiaka amin’ ny fanahy reraka Ny filazana soa avy any an-tany lavitra.
Luke 2:28dia nitrotro Azy izy ka nidera an’ Andriamanitra nanao hoe:
Acts 15:31Ary nony efa namaky izany ny olona, dia nifaly noho ny anatra tsara.
Ephesians 1:3Isaorana anie Andriamanitra, Rain’ i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nitahy antsika tao amin’ i Kristy amin’ ny fitahiam-panahy rehetra any an-danitra,