Bokin'i Josoa 22:4
Ary ankehitriny dia efa nomen’ i Jehovah Andriamanitrareo fitsaharana ny rahalahinareo, araka izay nolazainy taminy; koa modia ankehitriny, ka mankanesa any amin’ ny lainareo avy, ho any amin’ ny taninareo, izay nomen’ i Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, anareo any an-dafin’ i Jordana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Numbers 32:33Dia nomen’ i Mosesy ho an’ ny taranak’ i Gada sy ny taranak’ i Robena ary ny an-tsasaky ny firenen’ i Manase, zanak’ i Josefa, ny fanjakan’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorka, sy ny fanjakan’ i Oga, mpanjakan’ i Basana dia ny tany mbamin’ ny tanànany ao amin’ ny fari-tany, dia ny tanàna eny amin’ ny tany manodidina.
Deuteronomy 3:20mandra-panomen’ i Jehovah fitsaharana ny rahalahinareo tahaka ny anareo, ka holovany koa ny tany izay nomen’ i Jehovah Andriamanitrareo azy any an-dafin’ i Jordana; dia hiverina ianareo, samy ho any amin’ ny taniny avy, izay nomeko anareo.
Deuteronomy 29:8Dia tandremo ny tenin’ izao fanekena izao, ka araho, mba hambinina ianareo amin’ izay rehetra ataonareo.
Joshua 13:8Ary niaraka tamin’ ireo koa no nahazoan’ ny Robenita sy ny Gadita ny lovany, dia ilay nomen’ i Mosesy azy any an-dafy atsinanan’ i Jordana, araka izay nomen’ i Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, azy,
Joshua 21:43Dia nomen’ i Jehovah ny Isiraely ny tany rehetra izay efa nianianany homena ny razany; ary nandova izany izy ireo ka nonina teo,
1 Chronicles 22:18Tsy momba anareo va Jehovah Andriamanitrareo ka efa nampiadana anareo amin’ ny manodidina? Fa efa natolony teo an-tanako ny mponina amin’ ny tany; ary ny tany efa resy teo anoloan’ i Jehovah sy teo anoloan’ ny olony.