Bokin'i Josoa 24:13
Ary nomeko tany izay tsy nasainareo ianareo sy tanàna izay tsy naorinareo ianareo ka dia nonina tao ianareo; ary nihinana ny avy amin’ ny tanim-boaloboka sy ny tanin’ oliva izay tsy nataonareo ianareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Deuteronomy 6:10Ary rehefa entin’ i Jehovah Andriamanitrao ianao ho any amin’ ny tany izay nianianany tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao homena anao, dia tany misy tanàna lehibe sady tsara, izay tsy nataonao,
Deuteronomy 8:7Fa Jehovah Andriamanitrao efa hampiditra anao any amin’ ny tany soa, dia tany misy renirano sy loharano ary rano lalina eny amin’ ny lohasaha sy ny tendrombohitra,
Joshua 11:13Fa ny tanàna rehetra izay teny an-kavoana dia tsy mba nodoran’ ny Isiraely afa-tsy Hazora ihany, izay nodoran’ i Josoa.
Proverbs 13:22Ny tsara fanahy mahenina lova ny zafiny, Fa ny haren’ ny mpanota kosa voatahiry ho an’ ny marina.