Bokin'i Josoa 24:15
Nefa raha tsy sitrakareo ny hanompo an’ i Jehovah, dia fidionareo anio ary izay hotompoinareo, na ny andriamanitra izay notompoin’ ny razanareo tany an-dafin’ ny Ony, na ny andriamanitry ny Amorita, izay mponina teto amin’ ny tany onenanareo; fa raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an’ i Jehovah izahay.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 23:2Aza manaraka ny maro hanao ratsy; ary aza mamaly ny amin’ ny adin’ olona hivily hanaraka ny maro hamadika ny rariny.
Exodus 23:32Aza manao fanekena aminy na amin’ ny andriamaniny ianao.
Leviticus 14:42Ary dia haka vato hafa kosa ny olona, ka hasolony ny vato teo; ary haka feta koa izy ka handalotra ny trano.
Deuteronomy 29:18ary raha ren’ izany olona izany ny tenin’ ity fanozonana ity, dia hiarahaba tena ao am-pony izy ka hanao hoe: Hanam-piadanana aho, fa hanaraka ny ditry ny foko, handringanana ny leony mbamin’ ny mangetaheta.
Ruth 1:15Ary hoy izy: Indro ny rahavavinao lasa nody ho any amin’ ny fireneny sy ny andriamaniny ka mba miverena ianao koa hanaraka ny rahavavinao.
1 Chronicles 1:14ary ny Jebosita sy ny Amorita sy ny Girgasita