Bokin'i Josoa 24:33
Dia maty koa Eleazara, zanak’ i Arona, ka naleviny teo amin’ ny havoan’ i Finehasa zanany, izay nomena azy tany amin’ ny tany havoan’ i Efraima.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 6:25Ary Eleazara, zanakalahin’ i Arona, naka vady avy tamin’ ny zanakavavin’ i Potiela, dia niteraka an’ i Finehasa taminy izy. Ireo no lohan’ ny fianakavian’ ny Levita, araka ny fokom-pireneny.
Numbers 20:26dia esory ny fitafian’ i Arona, ka atafio an’ i Eleazara zanany; ary Arona hangonina any amin’ ny razany ka ho faty ao.
Joshua 14:1Ary izao no nolovan’ ny Zanak’ Isiraely teo amin’ ny tany Kanana, izay nampandovain’ i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak’ i Nona, ary ny loholon’ ny firenen’ i Zanak’ Isiraely;
Judges 18:13Dia niala tao izy ka nandroso nantany amin’ ny tany havoan’ i Efraima, dia tonga tao an-tranon’ i Mika.
1 Kings 4:8Ary izao no anarany: Beni-hora tany amin’ ny tany havoan’ i Efraima;
Job 30:23Fa fantatro fa hampodinao any amin’ ny fahafatesana aho, dia any amin’ ny trano fivorian’ ny olombelona rehetra.