Bokin'i Josoa 24:6
Ary nony nitondra ny razanareo nivoaka avy tany Egypta Aho, dia tonga teo amin’ ny ranomasina ianareo; ary nanenjika ny razanareo hatreo amin’ ny Ranomasina Mena ny Egyptiana, nitaingina kalesy sy soavaly.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 12:37Dia niainga tao Ramesesa ny Zanak’ Isiraely ka nankany Sokota, dia lehilahy mahalia lalana tokony ho enina hetsy, afa-tsy ny zaza amim-behivavy.
Exodus 14:1Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Exodus 14:9Koa nanenjika azy ny Egyptiana, dia ny soavaly rehetra mitarika ny kalesin’ i Farao sy ny soavaliny fitaingina ary ny miaramilany, ka nahatratra azy nitoby teo amoron’ ny ranomasina, teo anilan’ i Pi-hahirota, tandrifin’ i Balazefona.
Nehemiah 9:11Ary ny ranomasina dia nosarahinao teo anoloany, ka nandeha namaky teo afovoan’ ny ranomasina nandia ny tany maina izy; ary ireo nanenjika azy dia natsipinao hilentika amin’ ny lalina tahaka ny vato amin’ ny rano manonja.
Psalms 78:13Nampisaraka ny ranomasina Izy ka nitondra azy nita, dia nampijanona ny rano ho toy ny antontan-javatra.
Isaiah 63:12Dia Ilay nampandeha ny sandriny be voninahitra teo ankavanan’ i Mosesy ka nampisaraka ny ranomasina teo anoloany, mba hanaovany anarana mandrakizay ho Azy,