Bokin'i Josoa 4:22
dia hambaranareo aminy hoe: Tamin’ ny tany maina no nitan’ ny Isiraely ity Jordana ity.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Then ye shall let your children know, saying, Israel came over this Jordan on dry land.
In Context
Cross References
Exodus 15:19Fa niditra teo amin’ ny ranomasina ny soavalin’ i Farao sy ny kalesiny ary ny mpitaingin-tsoavaliny, ary Jehovah nampikatona ny ranomasina taminy; fa ny Zanak’ Isiraely kosa nandeha tamin’ ny tany maina teo afovoan’ ny ranomasina.
Joshua 3:17Ary ny mpisorona izay nitondra ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah dia nijoro tsara tamin’ ny tany maina teo afovoan’ i Jordana, ary ny Isiraely rehetra nandeha tamin’ ny tany maina mandra-pahatafitan’ izy rehetra an’ i Jordana.
Psalms 66:6Efa nampody ny ranomasina ho tany maina Izy; nandeha an-tongotra nita ny ony ny olona; tao no nifaliantsika tamin’ Andriamanitra.
Isaiah 44:27Ary milaza amin’ ny rano lalina hoe: Tankina, Fa hataoko tankina ny oninao,
Revelation 16:12Ary ny fahenina nampidina ny tao an-doviany tamin’ i Eofrata, ony lehibe; dia ritra ny ranony hanamboarana ny lalan’ ireny mpanjaka avy any amin’ ny fiposahan’ ny masoandro.