Bokin'i Josoa 4:6
mba ho famantarana eo aminareo izany, raha manontany ny zanakareo amin’ ny andro ho avy manao hoe: Inona no ataonareo ho anton’ ireo vato ireo?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 12:14Ary izany andro izany dia ho fahatsiarovana ho anareo ka hotandremanareo ho andro firavoravoana ho an’ i Jehovah; hatramin’ ny taranakareo fara mandimby no hitandremanareo izany ho andro firavoravoana, ho lalana mandrakizay.
Exodus 13:9Dia ho famantarana ho anao eo amin’ ny tananao ary ho fampahatsiarovana eo ambonin’ ny handrinao izany, mba ho ao am-bavanao ny lalàn’ i Jehovah: fa tanana mahery no nitondran’ i Jehovah anao nivoaka avy tany Egypta.
Exodus 31:13Ary dia milaza amin’ ny Zanak’ Isiraely ianao hoe: Ny Sabatako no tandremo; fa famantarana ho amiko, sy ho aminareo hatramin’ ny taranakareo fara mandimby izany, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Izay manamasìna anareo.
Deuteronomy 6:20Ary raha manontany anao ny zanakao amin’ ny andro ho avy ka manao hoe: Manao ahoana moa ny teni-vavolombelona sy ny didy ary ny fitsipika, izay efa nandidian’ i Jehovah Andriamanitsika anareo?
Joshua 4:21Dia niteny tamin’ ny Zanak’ Isiraely izy ka nanao hoe: Raha manontany ny rainy ny taranakareo any amin’ ny andro ho avy hoe: Inona no anton’ ireo vato ireo?
Psalms 44:1Ho an’ ny mpiventy hira. Nataon’ ny Koraïta. Maskila.