Bokin'i Josoa 4:9
Ary vato roa ambin’ ny folo no natsangan’ i Josoa teo Jordana, teo amin’ ilay nijoroan’ ny tongotry ny mpisorona izay nitondra ny fiaran’ ny fanekena; ary mbola ao ihany ireny mandraka androany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 28:18Ary nifoha maraina koa Jakoba, dia naka ilay vato izay nataony ondana ka nanorina azy ho tsangam-bato, dia nampidina diloilo teo aminy.
Exodus 28:21Ary ny vato dia alaharo araka ny anaran’ ny Zanak’ Isiraely, dia roa ambin’ ny folo araka ny anarany; ary hisy soratra toy ny amin’ ny fanombohan-kase, ho amin’ ny firenena roa ambin’ ny folo araka ny anarany avy.
Joshua 24:26Dia nosoratan’ i Josoa tao amin’ ny bokin’ ny lalàn’ Andriamanitra ireo teny ireo, ary naka vato lehibe izy ka nanangana azy teo ambanin’ ny hazo terebinta, izay teo anilan’ ny fitoera-masin’ i Jehovah.
1 Samuel 7:12Ary Samoela naka vato ka nanorina azy teo anelanelan’ i Mizpa sy Sena, ary ny anarany nataony hoe Ebenezera; fa hoy izy: Efa novonjen’ i Jehovah isika hatramin’ izao.
2 Samuel 4:3ary ny Berotita nandositra nankany Gitaima, dia nivahiny tany mandraka androany).
2 Chronicles 5:9Ary lava ny bao, ka hita ny lohany, raha eo amin’ ny fiara eo anoloan’ ny efitra matiny nefa tsy hita eny ivelany, ary mbola ao mandraka androany izy.