Bokin'i Josoa 5:13
Ary nony teo akaikin’ i Jeriko Josoa, dia nanopy ny masony izy ka nijery, ary, indro, nisy lehilahy nitsangana tandrifiny, ka ny sabany voatsoaka dia teny an-tànany; ary nanatona Azy Josoa ka nanao taminy hoe: Namanay va Hianao, sa naman’ ny fahavalonay?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 18:2dia nanopy ny masony izy ka niery, ary, indreo, nisy telo lahy nijanona teo tandrifiny, ka nony nahita ireo izy, dia niala teo am-baravaran’ ny lainy ka nihazakazaka hitsena azy, dia niankohoka tamin’ ny tany
Genesis 33:1Ary Jakoba dia nanopy ny masony ka nahatazana fa indro tamy Esao, mitondra efa-jato lahy. Dia nozarazarainy ny zaza ho amin’ i Lea sy Rahely ary ho amin’ ny ankizivavy roa.
Exodus 23:23Fa handeha eo alohanao ny Anjeliko ka hitondra anao any amin’ ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Kananita sy ny Hivita ary ny Jebosita; ary dia hofongorako ireny,
Numbers 22:31Dia nampahiratin’ i Jehovah ny mason’ i Balama hahita Ilay Anjelin’ i Jehovah mijanona eo an-dalana sady mitana ny sabany voatsoaka eny an-tànany; dia niondrika izy ka niankohoka.
Judges 13:8Ary Manoa nangataka tamin’ i Jehovah ka nanao hoe: Ry Tompo ô, aoka hankatỳ aminay indray ny lehilahin’ Andriamanitra, ilay efa nirahinao, ka hampianatra anay ny hitondranay ny zaza izay ho teraka.
Judges 13:22Ary hoy Manoa tamin’ ny vadiny: Ho faty tokoa isika, satria efa nahita an’ Andriamanitra.