Bokin'i Josoa 5:4
Ary izao no anton’ ny namoran’ i Josoa azy: Ny lehilahy rehetra izay nivoaka avy tany Egypta, dia ny mpanafika rehetra, samy maty tany an-fitra teny an-dalana, tamin’ izy efa nivoaka avy tany Egypta.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
3Dia nanao fiharatra vato ho azy Josoa ka namora ny Zanak’ Isiraely teo an-kavoana Haralota.
Cross References
Numbers 26:64Ary tamin’ ireo dia tsy nisy olona avy tamin’ izay efa voalamin’ i Mosesy sy Arona mpisorona tamin’ izy nandamina ny Zanak’ Isiraely tany an-efitr’ i Sinay.
Deuteronomy 2:14Ary ny andro nandehanantsika hatrany Kadesi-barnea ka hatramin’ ny nitantsika ny lohasahan-driaka Zareda dia valo amby telo-polo taona, mandra-pahalany ritran’ ny mpanafika rehetra tamin’ izany taranaka rehetra izany ka tsy nisy intsony teo amin’ ny toby, araka izay efa nianianan’ i Jehovah taminy.
1 Corinthians 10:5Nefa ny ankabiazany dia tsy sitrak’ Andriamanitra, fa naringana tany an-efitra.